Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 16:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Tamin’ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gômôra isan’olona. Nanatona an’i Môizy ny filohan’ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isan-andro ny olona, dia indroan’ny vata omera ho an’ny isan-olona avy; dia avy ny lohan’ny fiangonana ka nanambara tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 16:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.»


Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny.


Fa amin’ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan’andro.


Niantso an-dry zareo i Mosesy, koa nanatona i Aharôna sy ny lehiben’ny vahoaka, dia niresaka taminy.


Eny, Jobily tokoa io taona io ka hatokanareo ho Ahy. Kanefa izay zavatra voajanahary vokatry ny saha dia azonareo hanina.


Amin’ny taona fahavalo, dia hanao famafazam-bary ianareo kanefa mbola hihinana ny vokatra voaangona taloha; hatrany amin’ny taona fahasivy, mandra-pahatongan’ny fiakaram-bokatra, dia mbola afaka hihinana izany vokatra voaangona taloha izany ihany ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra