Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra an-tranomaizina.
2Timoty 4:21 - Baiboly Katolika Aza ela, fa tongava atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobôlo, sy i Pôdensy, sy i Lino, ary i Klaodià, mbamin’ny havana rehetra iray finoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataovy izay hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobolo, i Poda, i Lino ary i Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra. DIEM PROTESTANTA Ataovy mihitsy izay hahatongavanao atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobola sy i Podensa, i Lino sy i Klaôdia ary ny havana rehetra iray finoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ataovy mihitsy izay hahatongavanao atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobola sy i Podensa, i Lino sy i Klaôdia ary ny havana rehetra iray finoana. Baiboly Protestanta Malagasy Mazotoa hankatỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra. Malagasy Bible Mazotoa hankatỳ alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin'ny rahalahy rehetra. La Bible en Malgache Ataovy izay hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao i Eobolo, i Poda, i Lino ary i Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra. |
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra an-tranomaizina.
Manao veloma anareo ny havana rehetra iray finoana. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina!
Manao veloma anareo ny havana iray finoana izay ato amiko; manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ry zareo ao an-dapan’i Sezara.
Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karposy rehefa mankatỳ ianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra.
Tongava faingana atỳ amiko ianao; fa nilaozan’i Demasy aho, noho ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalonika izy.
Rehefa maniraka an’i Artemasy na i Tisìko atỳ aminao aho, dia tongava faingana atỳ amiko atỳ Nikôpôlisy, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka mifanatrika isika. Ho ao aminao anie ny fiadanana. Manao veloma anao ny sakaizantsika. Veloma any amin’ny sakaizantsika tsirairay avy.