Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
2Timoty 1:18 - Baiboly Katolika ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny Tompo anie hampahita azy famindrampo avy amin’ny Tompo amin’izay andro izay. Ary fantatrao tsara fa be dia be ny fanompoana nataony tamiko tany Efesosy. DIEM PROTESTANTA Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso. Baiboly Protestanta Malagasy (ny Tompo anie hampahita azy famindrampo amin’ny Tompo amin’izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara. Malagasy Bible (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin'ny Tompo amin'izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara. La Bible en Malgache Ny Tompo anie hampahita azy famindrampo avy amin’ny Tompo amin’izay andro izay. Ary fantatrao tsara fa be dia be ny fanompoana nataony tamiko tany Efesosy. |
Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,
Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,
i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i i Herôda, ary i Sozana mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady i Paoly, ka niditra tao amin’ny sinagoga, niady hevitra tamin’ny Jody.
fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: «Mbola hiverina atỳ aminareo ihany aho raha sitrak’Andriamanitra»; dia niala tao Efezy izy;
Raha mbola tany Kôrinty i Apôlô, i Paoly kosa tonga tany Efezy rehefa nitety ny faritany ambony tany Azia. Nony nahita ny mpianatra sasany teo izy,
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:
Raha ny amin’ny fiantrana ho an’ny olomasina, dia ambiny fotsiny no anoratako aminareo,
Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
Fa iza moa no fanantenanay, sy fifaliana aman-tsatroboninahitray? Tsy ianareo va izany, eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika amin’ny andro hahatongavany?
Mampahatsiahy anao aho, fa fony aho ndeha ho any Masedônia, dia nangataka anao hitoetra ao Efezy, mba handidy ny sasany tsy hanao fampianarana tsy izy,
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako,
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.
Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: