2Petera 3:17 - Baiboly Katolika Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; DIEM PROTESTANTA Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; Malagasy Bible Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; La Bible en Malgache Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; |
Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra!
fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
ary matoa Izy namonjy an’i Lôta olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondràn-tenan-dry zareo tsy misoro-doza,
Ry malala, ity no fanindroan’ny epistôla nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara,
Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.