Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 16:11 - Baiboly Katolika

11 Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa hoe tandremo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Ka ahoana no tsy ahatakaranareo fa tsy mofo no tiako hambara, fony Izaho nilaza taminareo hoe: «Mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina»?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ka ahoana no tsy ahatakaranareo fa tsy mofo no tiako hambara, fony Izaho nilaza taminareo hoe: «Mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Saodseo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa hoe tandremo mba tsy ho azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 16:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanatona Azy ny Farisianina sy ny Sadoseanina haka fanahy Azy, ka nangataka taminy mba hampiseho aminy famantarana avy any an-danitra.


Izay vao fantatr’izy ireo fa tsy ny lalivay amin’ny mofo no nasainy notandremana, fa ny fampianaran’ny Farisianina sy ny Sadoseanina.


Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina ianareo.»


Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?


Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?» Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?».


I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»


«Ka nahoana àry, hoy Izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany ianareo?»


Tamin’izay dia tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.


Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?


Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra