ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona
2Tantara 9:4 - Baiboly Katolika ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. DIEM PROTESTANTA ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Baiboly Protestanta Malagasy sy ny hanim-pihinany teo amin’ny latabany, sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. Malagasy Bible sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. La Bible en Malgache ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. |
ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona
Izao no hanina lanin’i Salômôna isan’andro: lafarina tsara indrindra telopolo kora, lafarina antonintoniny enimpolo kora,
ary nafindrany toerana tao an-tranon’i Iaveh ny trano hevan-tsabata naorina tao amin’ny trano, mbamin’ny fidiran’ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan’i Asiria.
ary mbola ao am-bavahadin’ny mpanjaka, eo atsinanana izy mandrak’androany. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levì.
Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: «Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko, ny amin’ny tenanao amam-pahendrenao!
Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny Tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.
Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, raha mahita ny malalako ianareo, ahoana no holazainareo aminy...? - Mararim-pitia aho. -
Ary ny amin’ny mpanapaka, noho ny maha-mpanapaka azy, dia hipetraka eo izy, hihinan-kanina eo anatrehan’i Iaveh; eo amin’ny efitrano fidirana ho ao amin’ny alo-baravarana no hidirany, ary eo amin’io lalana io ihany koa no hivoahany.
Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin’ny efitrano fidirana ao amin’ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan’ny tolàn’ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin’ny tokonan’ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan’ny andro.
kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy.
Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.