Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:13 - Baiboly Katolika

13 Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira amin’ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:13
23 Rohy Ifampitohizana  

Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»


Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, nanaiky hanaraka an’i Iaveh sy hitandrina ny didy amam-pitsipiny ary ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany, izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary nankatò izany koa ny vahoaka rehetra.


Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»


Dia nampihodina ny kalesiny i Jôrama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin’i Okoziasa hoe: «Fivadihana ity, ry Okoziasa.»


Ary na dia izay nitoetra anilany aza hatramin’i Isakara sy i Zabolôna ary i Neftalì samy nampitondra hanina, nentin’ny ampondra aman-drameva mbamin’ny omby sy ny mole, dia lafarina, ampempan’aviavy maina amam-boaloboka maina, divay, diloilo, omby aman’ondry sesehena, satria nisy fifaliana tamin’i Israely.


I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.


Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.


Nony ren’i Atalia ny fihahohahon’ny vahoaka nidodododo sy nihoby ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’i Iaveh izy.


Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»


Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan’i Iaveh indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an’i Iaveh izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin’ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fanarahana ny teny amin’ny fanekena voasoratra amin’izany boky izany.


Ho tera-kovitra tampoka azon’ny fivadiham-po izy, fa eo afovoan’ny taranaka marina Andriamanitra.


Mifaly ny tanàna, raha sambatra ny marina; mihoby hafaliana ny olona, raha ringana ny ratsy fanahy.


Raha mihamaro ny marina, faly ny vahoaka, fa raha ny ratsy fanahy no mitondra fanjakana, misento ny vahoaka.


Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.


Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin’ny efitrano fidirana ao amin’ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan’ny tolàn’ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin’ny tokonan’ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan’ny andro.


Dia nakan’izy telon-jato lahy ny vatsin’ny vahoaka sy ny trômpetrany, izay dia nalefan’i Jedeôna hody ny olona sisa rehetra tamin’i Israely, samy ho any an-dainy, fa notanany ny telon-jato lahy. Ny tobin’ny Madianita dia teo ambaniny teo amin’ny tany lemaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra