Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 23:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira amin’ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:13
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana araka ny fanao tambonin’ny lampihazo; ary ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany. Nifaly ny vahoaka rehetra ary nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika; fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»


Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.


Dia samy nanala faingana ny akanjobeny avy ny manamboninahitra rehetra ka namelatra azy teo amin’ny faratampon’ny tohatra anankiray mba hipetrahan’i Jehò. Ary notsofin’ny mpiangaly azy ny anjomara fa ny besinimaro teo kosa niantsoantso hoe: «I Jehò no mpanjaka.»


Dia nihodina i Jôrama ka nandositra sady niteny tamin’i Ahazià hoe: –Famadihana io, ry Ahazià!


Dia nijanona telo andro tao Hebrôna niaraka tamin’i Davida ireo miaramila ka nihinana sy nisotro izay efa nomanin’ireo havany ho azy.


toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.


Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.


Nony ren’i Hatalià ny kotaban’ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’ny TOMPO koa izy.


I Joiadà moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eo anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.


Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io.


Indreo fa matahotra dia matahotra ireny, satria ny mpivavaka iandanian’Andriamanitra.


Mifaly amin’ny fahombiazan’ny olo-marina ny tanàna, ary velom-pihobiana amin’ny fahafatesan’ny olon-dratsy.


Rehefa ny olo-marina no mitondra, dia faly ny vahoaka; fa rehefa ny olon-dratsy no mifehy, dia misento ny vahoaka.


Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian’ny loza. Fa toy ny trondro azon’ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.


Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran’ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.


Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra