2Tantara 9:4 - DIEM PROTESTANTA4 ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 sy ny hanim-pihinany teo amin’ny latabany, sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 ny sakafo teo amin’ny latabany, ny fonenan’ny tandapany, ny fahaizan’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany mbamin’ny fitafian’ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia talanjona terỳ izy. Jereo ny toko |
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: –Marina avokoa izay resaka reko tany amin’ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filàzan’olona aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory; indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran’ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran’ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.