Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
2Tantara 24:15 - Baiboly Katolika Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tratra antitra sy ela niainana i Joiada vao maty: Telopolo amby zato taona izy vao maty. DIEM PROTESTANTA Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. Malagasy Bible Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty. La Bible en Malgache Tratra antitra sy ela niainana i Joiada vao maty: Telopolo amby zato taona izy vao maty. |
Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»
Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.
Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.
Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.
Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.
Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!