Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 24:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Tratra antitra sy ela niainana i Joiada vao maty: Telopolo amby zato taona izy vao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Ianao kosa ho faty amim-piadanana ka halevina, rehefa tratra antitra tsara.


dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.


Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.


Nony vitan’ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran-tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan’i Jôiadà dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon’ny TOMPO.


Dia tao an-Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin’i Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tempoliny.


Ary nangalan’i Jôiadà vady roa i Jôasy, ka niteraka zazalahy sy zazavavy taminy.


Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.


Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.


Hataoko ela velona tokoa izy ary hanehoako ny famonjeko.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra