Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

2Tantara 24:14 - Baiboly Katolika

14 Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Nony vitan’ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran-tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan’i Jôiadà dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’i Jehovah mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

2Tantara 24:14
13 Rohy Ifampitohizana  

ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin’ny lahin-tsavily amin’ny varavaran’ny efitrano anatiny, izany hoe: ny Fitoerana Masina indrindra, sy amin’ny varavaran’ny trano, izany hoe ny Fitoerana Masina.

fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny fanembohana sy ny tasy, ny zavatra volamena sy ny zavatra volafotsy.

sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin’i Iaveh, amin’ny andro sabata na amin’ny voalohan’ny volana, na amin’ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan’i Iaveh.

Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.

Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tanany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin’ny toetrany taloha ny tranon’Andriamanitra sy nohamafisiny.

Tratra antitra sy voky andro i Jôiadà, ka dia maty; efa 130 taona izy vao maty.

Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.

ka tonga teo amin’i Môizy nilaza hoe: «Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin’ny olona hahavitana ny asa nodidian’i Iaveh hatao.»

Na hototoinao ao an-daona aza ny adala, tahaka ny fitoto vary amin’ny fanoto, tsy hisaraka aminy ny hadalany tsy akory.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra