Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 17:10 - Baiboly Katolika

Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Jodà, ka tsy niady tamin’i Jôsafata izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra NY TOMPO ka tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny tahotra an’i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra NY TOMPO ka tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo.

Jereo ny toko



2Tantara 17:10
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa izy ireo; ary azon’ny tahotra mafy avy amin’Andriamanitra ny tanàna, eny amin’ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakôba.


Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.


Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.


Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»


Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra amin’ny tany, nony nandre fa hoe: i Iaveh no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.


Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.»


Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.


Hilela-bovoka, toy ny menarana izy; ary toy ny bibilavan’ny tany, dia hivoaka amin-tahotra miala amin’ny fiereny; hanatona an’i Iaveh Andriamanitsika, amin-kovitra, izy, ary hatahotra anareo.