Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
2Tantara 11:21 - Baiboly Katolika I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. DIEM PROTESTANTA I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Rehoboama tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). Malagasy Bible Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). La Bible en Malgache Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo. |
Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
Naka vaditsindrano sy vady koa i Davida, tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrôna izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray i Davida.
700 no vadiny andriambavy, ary 300 ny vaditsindranony, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony.
Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.
Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.
Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao mivily ny fony, ary aoka tsy hamory volafotsy sy volamena be miavosa izy.
dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak’ilay tiany ho solon’ny zanak’ilay halany amin’ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa.