Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:21 - DIEM PROTESTANTA

21 I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vady tsindranony rehetra i Rehoboama, fa izy dia naka vady valo amby folo sy vady tsindrano enimpolo ka niteraka lahy valo amby roapolo sy vavy enimpolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Rehoboama tia an’Imaka, zanakavavin’i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.


Rehefa niala tao Hebrôna ka tonga tany Jerosalema i Davida, dia mbola naka vaditsindrano sy vady hafa koa izay niterahany zanakalahy sy zanakavavy.


fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.


ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.


Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.


Aoka ny mpanjakanareo tsy hampirafy, fandrao hivily ny fony, ary aoka izy tsy hangorona volafotsy na volamena be ho azy.


Amin’ny andro handidiany fananana ho an’ireo zanany lahy, dia tsy azon-dralehilahy atao lahimatoa ny zanak’ilay vehivavy tiany bebe kokoa, raha mbola eo ihany ny zanak’ilay vehivavy tiany kelikely kokoa, satria io no tena lahimatoany.


Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra