Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjakany Izy, ary manome famindram-po amin’ilay voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.»
2Tantara 1:8 - Baiboly Katolika Dia hoy ny navalin’i Salômôna an’Andriamanitra: «Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin’i Davida raiko, ary izaho ny nampanjakainao handimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Solomona tamin’Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy. Malagasy Bible Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy. La Bible en Malgache Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy. |
Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjakany Izy, ary manome famindram-po amin’ilay voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.»
Dia hoy ny navalin’i Salômôna: «Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin’ny tsy fivadihana, sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana lehibe izany, ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao.
Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?
Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.
Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.
Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.
Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly? - Selà
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.