i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
1Tantara 7:14 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Manase dia Asriela, izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’i Makira, rain’i Gileada. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada. |
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
Zanaka lahin’i Neftalì: i Jasiela, i Gonì, i Jesera ary i Seloma, zanaka lahin’i Balà.
I Makira naka vady tamin’ny avy amin’i Hapfima sy i Safàna: Maakà no anaran’ny anabaviny. I Salfaada no zanany lahy aivo, ary nanan-janaka vavy i Salfaada.
Tamin’izay tonga ny zanakavavin’i Salfaada, zanak’i Hefera, zanak’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Josefa; ny anaran’izy ireo dia izao: Maalà, Nôà, Heglà, ary Tersà.
Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.
Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.