Tamin’ny andron’i Saola niady tamin’ny Agareanina izy, ka naharesy an’ireny, dia nonina tao amin’ny lainy eran’ny ilany atsinanana rehetra amin’i Galaada.
1Tantara 5:18 - Baiboly Katolika Tamin’ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an’ady, 44.760 ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika. DIEM PROTESTANTA Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipîka sady zatra ady: 44.760 no isan’ireo vonon-kiantafika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipîka sady zatra ady: 44.760 no isan’ireo vonon-kiantafika. Baiboly Protestanta Malagasy Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ny azo nalefa hanafika. Malagasy Bible Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika. La Bible en Malgache Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika. |
Tamin’ny andron’i Saola niady tamin’ny Agareanina izy, ka naharesy an’ireny, dia nonina tao amin’ny lainy eran’ny ilany atsinanana rehetra amin’i Galaada.
hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana. Ianao sy i Aarôna no hanisa azy araka ny isan-tokony avy;
Dia nomen’i Môizy ny zanak’i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanak’i Josefa, ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, sy ny fanjakan’i Oga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin’ny tany manodidina.
Ary izao no teny nataon’i Jôsoe, tamin’ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase: