Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 5:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipîka sady zatra ady: 44.760 no isan’ireo vonon-kiantafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipîka sady zatra ady: 44.760 no isan’ireo vonon-kiantafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Tamin’ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an’ady, 44.760 ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ny azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 5:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Saoly no niady tamin’ny Hagrita ny Reobenita ka nandresy azy; avy eo, dia nanorin-dasy manerana ny ilany atsinanana amin’i Gilehada.


dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharôna no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.


Dia nomen’i Mosesy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Reobena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase zanakalahin’i Jôsefa, ny fanjakan’i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita sy ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna, dia ny tany mbamin’ny tanànany miaraka amin’ny faritra manodidina.


Avy eo dia ny lehilahy ao amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase no nilazan’i Josoa hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra