Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 5:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ireo taranak’i Gada rehetra ireo dia voasoratra tanaty boky avokoa tamin’ny andron’i Jôtama mpanjakan’i Joda sy tamin’ny andron’i Jerobohama mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ireo taranak’i Gada rehetra ireo dia voasoratra tanaty boky avokoa tamin’ny andron’i Jôtama mpanjakan’i Joda sy tamin’ny andron’i Jerobohama mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 no efa nanoratana an’ireo zanak’i Gada rehetra tamin’ny tetiaram-pirazanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 5:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôasy, dia nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely tao Samaria; ary i Jerôbohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Joda, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy, ary naharitra 41 taona no nanjakany tao.


Ny sisa tamin’ny tantaran’i Jerôbohama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny herimpo nasehony tamin’ny ady namerenany indray tamin’i Israely ny tanànan’i Damasy sy i Hamata izay an’i Joda fahiny, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka zanakalahin’i Remalià tamin’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôtama zanakalahin’i Hazarià.


Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.


Ny rahalahin’i Beerà, araka ny fianakaviany avy, dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny taranany; ka ny voalohany dia i Jehiela, ny manaraka dia i Zakarià,


Feno 25 taona i Jôtama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà zanakavavin’i Tsadôka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra