Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»
1Tantara 4:17 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Esrà: i Jetera, i Mereda, i Efera, ary i Jalôna. Ilay Ejiptianina novinadin’i Mereda, niteraka an’i Miriama sy i Samaì ary i Jesbà, rain’i Estamao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Ezra dia i Jetera, i Mereda, i Efera ary i Jalona. Niteraka an’i Miriama sy i Samay ary i Jisba rain’ny any Estemoa izy. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Hezrà dia i Jetera sy i Mereda ary Hefera sy i Jalôna. Ary nanambady an’i Bitià, zanakavavin’ny Farao, i Mereda, ka niteraka an’i Miriama sy i Samày ary i Jisbà ilay mpanorina an’i Estemôa; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Hezrà dia i Jetera sy i Mereda ary Hefera sy i Jalôna. Ary nanambady an’i Bitià, zanakavavin’ny Farao, i Mereda, ka niteraka an’i Miriama sy i Samày ary i Jisbà ilay mpanorina an’i Estemôa; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ny any Estemoa. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Ezra dia i Jetera, i Mereda, i Efera ary i Jalona. Niteraka an’i Miriama sy i Samay ary i Jisba rain’ny any Estemoa izy. |
Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»
Ilay vehivavy Jody vadiny anankiray, niteraka an’i Jareda, rain’i Gedôra, sy i Hebera rain’i Sôkô, ary i Ikotiela rain’i Zanôe. Ireo no zanaka lahin’i Betià zanaka vavin’i Faraôna, nalain’i Mereda ho vady.
Zanaka lahin’ny vadin’i Odaià, anabavin’i Nahama: ny rain’i Keilà, ilay Garmiànina, sy ny rain’i Estamao ilay Makatianina.
avy amin’ny fokon’i Isakara: i Kedesa, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Dabereta, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;