Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳ izy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.
1Tantara 24:1 - Baiboly Katolika Ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia izao no antokony, zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara sy i Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. DIEM PROTESTANTA Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara; Malagasy Bible Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara; La Bible en Malgache Ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. |
Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳ izy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.
ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Tamin’ny fotoana nivoahan’ny mpisorona avy tao amin’ny fitoerana masina, - fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenany avokoa fa tsy voatana ny filaharan’ny isan-tokony,
Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.
I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.
Ny anaran’ny zanaka lahin’i Aarôna dia izao: Nadaba lahy matoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara.
I Nabada sy i Abiò dia maty teo anatrehan’i Iaveh tamin’izy nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh tany an’efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo.