2Tantara 8:14 - Baiboly Katolika14 Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA14 Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Ary notendreny koa ny antokon’ny mpisorona araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan-andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’i Davida lehilahin’Andriamanitra, azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache14 Notendreny koa ny antokon’ny mpisorona, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy, ary ny levita* koa ho amin’ny anjara raharahany, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isanandro, ary ny mpiandry varavarana dia araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no didy nomen’i Davida, lehilahin’Andriamanitra, azy. Jereo ny toko |
Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.