Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:8 - Baiboly Katolika

8 Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Joiadà mpisorona.


ny faha-18, an’i Hananì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;


dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.


Ny rahalahin’izy ireo, izay nonina tany amin’ny vohiny, dia tsy maintsy mankeo aminy indraindray, ka maharitra herinandro eo.


Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha nisy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy ianareo.»


Natolotr’i Jôiadà mpisorona an’ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman’ampinga nananan’i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon’Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra