Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:9 - Baiboly Katolika

9 Natolotr’i Jôiadà mpisorona an’ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman’ampinga nananan’i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon’Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary nomen’i Joiada mpisorona ho an’ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’i Davida mpanjaka, izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nomen’i Joiada mpisorona ho an’ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’i Davida mpanjaka ka tao an-tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary nomen’i Joiada mpisorona ho an’ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an’i Davida mpanjaka, izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:9
5 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Davida ny ampinga volamena tao amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema;


Nanao ampinga lehibe roan-jato vita tamin’ny volamena voatefy i Salômôna, ka volamena lanjana 600 sikla no lany tamin’ny isan’ampinga.


Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.


Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.


Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra