Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:10 - Baiboly Katolika

10 Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:10
6 Rohy Ifampitohizana  

Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana, ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano, hany ka voahodidiny ny mpanjaka.


Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok’andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran’i Jôiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


Natolotr’i Jôiadà mpisorona an’ireo tompon-jato avokoa ny lefona aman’ampinga nananan’i Davida mpanjaka, hita tao an-tranon’Andriamanitra, na ny lehibe na ny kely.


Dia nankeo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sady namelatra ny tanany.


Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.


Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin’ny lalany avy; mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra