Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:11 - Baiboly Katolika

11 Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok’andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran’i Jôiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satroboninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:11
34 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatona azy aho, ka namono azy satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rehefa resy. Koa nalaiko ny satrok’andriana teny an-dohany sy ny fehin-tanana teny amin’ny sandriny, dia indreto nentiko nankatỳ amin’ny tompoko.»


Nony tonga nanatona an’i Absalôma i Kosaia, ilay Arakita, dia hoy i Kosaia tamin’i Absalôma nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.


Fa nidina androany izy izao, ka namono omby aman-janak’omby matavy sy ondry be dia be; nasainy avokoa ny zanaka lahin’ny mpanjaka sy ny filohan’ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indro mihinana sy misotro eo anatrehany ireo izao, ka manao hoe: Ho ela velona anie i Adoniasa mpanjaka!


Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!


Ary i Sadôka mpisorona, naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny taberbakla, dia nanosotra an’i Salômôna, ary nitsoka anjomara ny olona, ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»


Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy.


Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.


Nony ren’i Atalia ny fihahohahon’ny vahoaka nidodododo sy nihoby ny mpanjaka dia mba nankao amin’ny vahoaka tao an-tranon’i Iaveh izy.


Hofonosiko henatra ny fahavalony, ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.


Nomenao azy izay nirin’ny fony, tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony. - Selà


Nametraka fitsipika teo amin’i Jakôba Izy, nanisy lalàna amin’i Israely; ka ny razantsika nasainy nampianatra izany amin’ny zanany,


Fahiny Ianao niteny tamin’ny malalanao, tamin’ny fahitana nanao hoe: «Izaho namonjy fanampiana ny mahery anankiray; nanandratra zatovolahy anankiray avy eo afovoan’ny vahoaka;


Kanjo narianao sy tsy nasianao raharaha, ary notezeranao ilay Voahosotrao!


Ary hataonao ao amin’ny fiara, ny vavolombelona izay homeko anao.


Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.


Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.


Fehezo ny teny-vavolombelona, asio tombokase ny fampianarana ao am-pon’ny mpianatrao.


Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»


ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»


fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.


Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.


Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?


tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery;


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.


Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»


Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?


Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka rehetra: «Hitanareo va ilay voafidin’i Iaveh, fa tsy misy toa azy eo amin’ny vahoaka rehetra!» Dia nihoby ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra