Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:10
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao jery atrika sy nitam-piadiana ny miaramila hatreo amin’ny zoro atsimo atsinanan’ny tempoly ka hatrany amin’ny zoro avaratra atsinanana, dia teo anoloan’ny vatan-trano sy ny alitara, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.


Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra.


Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana hivavaka.


Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra