I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
1Tantara 16:40 - Baiboly Katolika mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely. DIEM PROTESTANTA Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy hanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehvoah marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,– Malagasy Bible hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely, La Bible en Malgache Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely. |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory.
Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.
Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.
Ary natolony ny fanatitra; nakany eran-tanana ila, nodorany ambonin’ny ôtely fanampin’ny sorona dorana masina.
Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!