Levitikosy 9:17 - Baiboly Katolika17 Ary natolony ny fanatitra; nakany eran-tanana ila, nodorany ambonin’ny ôtely fanampin’ny sorona dorana masina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA17 Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan’ila izay nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Avy eo dia natolony ny fanatitra lafarinina ka nangalany eran-tanan’ila izay nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara ankoatra ny sorona dorana manontolo fanolotra isa-maraina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana maraina. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Noentiny nanatona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ka nakany eran’ny tanana ila dia nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara izany, ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo amin’ny maraina. Jereo ny toko |
Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.