Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:18 - Baiboly Katolika

18 Novonoiny ny ombalahy aman’ondralahy hatao sorom-pihavanana ho an’ny vahoaka. Natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka dia naidiny manodidina amin’ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Farany, novonoin’i Aharôna ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin’ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Farany, novonoin’i Aharôna ny ombilahy sy ondrilahy izay nentin’ny vahoaka hatao sorom-pihavanana; dia natolotry ny zanany azy ny ra, ka nafafiny manodidina tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak’i Arona nanolotra azy ny ra, dia nanopy izany manodidina tamin’ny lafin’ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Novonoiny koa ny omby sy ny ondrilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ny olona; ireo zanak’i Arona dia nanolotra azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, ka natsobony tao ny rantsan-tanany, notentenany ny tandroky ny ôtely, ary naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra.


Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,


Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.


ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra