naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
1Tantara 15:17 - Baiboly Katolika Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia; DIEM PROTESTANTA Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia notendren’ny Levita Hemana, zanak’i Joela; ary tamin’ny rahalahiny dia Asafa, zanak’i Berekia; ary tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’i Kosaia; Malagasy Bible Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia; La Bible en Malgache Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia; |
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.
Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana.
Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela
I Asafa rahalahiny izay nitsangana teo ankavanany: i Asafa zanak’i Barakiasa zanak’i Samà
Zanaka lahin’i Merarỳ rahalahin’izy ireo teo ankavia: i Etàna zanak’i Kosỳ zanak’i Abdỳ zanak’i Malòka
Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh.
Ary izao no fonenany, araka ny fari-bohiny, tao amin’ny zarataniny avy: Ny taranak’i Aarôna, amin’ny fianakavian’ny Kaatita, izay voatendrin’ny filokana voalohany,
i Dariba mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy; i Asàna mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Betsemesa mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
Salamon’i Asafa. Miteny Andriamanitra, Elohima, Iaveh, manainga ny tany, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany.
I Joela no anaran’ny zanany lahimatoa, ary i Abià no anaran’ny faharoa. Tany Bersabe izy ireo no nitsara.