Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Nitazana teo am-baravarankely ny renin’i Siserà, teo anelanelan’ny makarakara izy no nitaraina hoe: «Nahoana àry no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny? Nahoana àry no mitaredretra any ny kalesiny?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Teo am-baravarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; eny, niantso teo amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesy fitondrany miady vao tonga? Nahoana no mitaredratra ny kodiaran’ny kalesiny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Nitazana teo am-baravarankely ny renin’i Siserà, teo anelanelan’ny makarakara izy no nitaraina hoe: «Nahoana àry no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny? Nahoana àry no mitaredretra any ny kalesiny?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Eo am-baravarankely amin’ny makarakara, no mijery ny renin’i Sisarà sady mikiakiaka: ‹Nahoana izato kalesiny no dia ela fiavy? Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Tao amin’ny varavarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredratra ny kodian’ny kalesiny?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Teo am-baravarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; eny, niantso teo amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesy fitondrany miady vao tonga? Nahoana no mitaredratra ny kodiaran’ny kalesiny?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:28
8 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro i Ahazià mpanjakan’i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan’ny efitrano ambony amin’ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tanànan’i Hekrôna, raha toa ka ho sitrana amin’izao ratra nahazo azy izao na tsia.


Raha teo am-baravarankelin’ny tranoko aho no mba nitazantazana indray andro,


Ny malalako dia mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora; indro izy fa mijanona ao alatranonay, ka manarangarana eo am-baravarankely, zary mitsikilo eo amin’ny makarakara.


«Mandosira, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no manketỳ Ambohimanitra.»


Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.


Tamin’izay no nataon’ny TOMPO nifanaritaka teo anoloany kosa i Siserà sy ny kalesiny mbamin’ny miaramilany rehetra. Niala tamin’ny kalesiny mihitsy aza i Siserà ka nandositra an-tongotra.


Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.


Izay hendry indrindra tamin’ireo andriambavy namany no nanome azy izao valinteny manaraka izao, ka izany koa no naverimberin’ny tenany hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra