Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy; miretaka eo an-tongony lavo izy, ary eo amin’izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Teo amin’ny tongo-dravehivavy no niondrehany–nahalavoany–niamparany, Eny, teo amin’ny tongony no niondrehany–nahalavoany; Teo amin’izay niondrehany no niamparan’ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:27
5 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Avy eo noraisiny tamin’ny tanan-kavia ny tsimaday ary tamin’ny tanan-kavanana ny tantanan’ny mpiasa, dia nasiany ka vaky ny lohan’i Siserà; ary nataony gorobaka ny fihirifany.


Nitazana teo am-baravarankely ny renin’i Siserà, teo anelanelan’ny makarakara izy no nitaraina hoe: «Nahoana àry no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny? Nahoana àry no mitaredretra any ny kalesiny?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra