26 Avy eo noraisiny tamin’ny tanan-kavia ny tsimaday ary tamin’ny tanan-kavanana ny tantanan’ny mpiasa, dia nasiany ka vaky ny lohan’i Siserà; ary nataony gorobaka ny fihirifany.
26 Nandray ny tsatòkan-day ny tanany, ny tanany havanana no nandray ny tantanan’ny mpiasa, dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; nahapotika sy nahaboroaka ny fihirifany izy.
26 Avy eo noraisiny tamin’ny tanan-kavia ny tsimaday ary tamin’ny tanan-kavanana ny tantanan’ny mpiasa, dia nasiany ka vaky ny lohan’i Siserà; ary nataony gorobaka ny fihirifany.
26 Ny tanany anila mandray ny tsima-day, ary ny tanany havanana ny tantanan’ny mpiasa. Dia asiany i Sisarà, vakìny ny lohany; torotoroiny, gorobahany ny fihirifany.
26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ny mpiasa, Dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
26 Nandray ny tsatòkan-day ny tanany, ny tanany havanana no nandray ny tantanan’ny mpiasa, dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; nahapotika sy nahaboroaka ny fihirifany izy.
Nikabarian-dravehivavy tamim-pahendrena avokoa ny mpiray tanàna, dia notapahina ny lohan’i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ ka natsipy teny amin’i Jôaba. Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia tsy nanao fahirano ny tanàna intsony ny miaramilany ary samy namonjy ny fonenany avy. I Jôaba kosa mbola niverina tany Jerosalema ho eo amin’ny mpanjaka.
Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.
Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.