Jeremia 48:26 - DIEM PROTESTANTA26 Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201126 Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara26 Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika26 Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an’i Iaveh. Aoka i Moaba hihosinkosina amin’ny loany, ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy26 Ataovy leony izy, Fa niavonavona tamin’i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ny loany Sady mba ho tonga fihomehezana kosa. Jereo ny tokoMalagasy Bible26 Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa. Jereo ny toko |
Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.
«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.
Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.