Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Lefy ny herin’i Môaba ary potika ny fahefàny, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Voakapa ny tandrok’i Moaba ary tapaka koa ny sandriny, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Lefy ny herin’i Môaba ary potika ny fahefàny, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Voakapa ny tandrok’i Moaba, ary tapaka ny sandriny, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Voakapa ny tandrok’i Moaba, Ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Voakapa ny tandrok’i Moaba ary tapaka koa ny sandriny, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:25
12 Rohy Ifampitohizana  

Noroahinao hitondra tanam-polo ny mpitondratena ary norobainao ny teo an-tanan’ny kamboty.


Koa poteho ny herin’ny olon-dratsy, adino aminy ny ratsy nataony ary aoka izy tsy ho hita soritra intsony!


satria ho potika ny fahefàn’ny olon-dratsy fa ny olo-marina kosa hotohanan’ny TOMPO.


Izaho kosa tsy hitsahatra hanambara izany, ka dia ilay Andriamanitr’i Jakôba no hankalazaiko amin-kira hoe:


Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an’i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan’ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak’i Jakôba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.


Raha mbola nandinika ireo tandrony aho, indro nisy tandroka kely hafa nipoitra teo anivon’ireo ka nahongotra ireo tandroka telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso roa toy ny mason’olona sy nanana vava miteny avonavona mihoa-pampana.


Ny osilahy lava volo dia manondro ny fanjakana grika; ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.


Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.


Fa ny taranak’i Reobena kosa nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Hesbôna sy i Elehale, i Kiriataîma,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra