Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:26 - Baiboly Katolika

26 Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an’i Iaveh. Aoka i Moaba hihosinkosina amin’ny loany, ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Môaba ka ataovy mamon’ny divainy sy mihosina amin’ny loany, ary ho tonga fihomehezana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ataovy leony izy, Fa niavonavona tamin’i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ny loany Sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ataovy leon-divay izy fa niavonavona tamin’NY TOMPO; hihosinkosina amin’ny loany i Moaba sady mba ho tonga fihomehezana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:26
37 Rohy Ifampitohizana  

Satria nanainga tanana hamely an’Andriamanitra izy, nihaika ny Tsitoha izy,


Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?


Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky; maneso an’ireny ny Tompo.


Fanalikàna no mibasasaka avy ao am-bavany; sabatra no eo amin’ny molony: Iza moa no handre? hoy izy.


Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.


Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana: ny iray aetriny, ny iray asandrany.


Fa hoy ny navalin’i Faraôna: «Iza moa i Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an’i Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy avelako handeha i Israely.»


Ka indro ianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy.


Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!


Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!


feno lo maloto ny latabatra rehetra, tsy misy fitoerana intsony.


Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo! Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.


Mifohaza, mifohaza, miarena ianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana, avy amin’ny tanan’i Iaveh; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!


Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.


He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo. He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra! Tonga fihomehezana i Moaba, tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.


Voaongana i Moaba amin’ny maha-firenena azy, satria nitsangan-kanohitra an’i Iaveh.


Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy ianareo; aza misy afa-mandositra! Valio araka ny asany izy. Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.


Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -


Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.


Kapoaka volamena teny an-tanan’i Iaveh i Babela, nahamamo ny tany rehetra izy; nisotro ny divainy ny firenena ka tonga mibedibedy foana ny firenena.


Ren’ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa Ianao. Hampiavy ny andro voalazanao Ianao, ka ho tonga toa ahy koa ireo!


Novokisany zava-mangidy aho, nobobòhany absinta.


Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma, izay monina any amin’ny tanin’i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa ianao; ka himamo dia hitanjaka.


Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony; ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.


Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra; misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao; havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh; ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.


izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.


Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra