Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ry mponina mahonena ao Dibôna, midìna avy eo amin’ny toeram-boninahitrareo ka mitoera ao anaty fako ianareo, satria miakatra hanafika anareo ilay mpandrava an’i Môaba ka mandrodana ny mandanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ry mponina mahonena ao Dibôna, midìna avy eo amin’ny toeram-boninahitrareo ka mitoera ao anaty fako ianareo, satria miakatra hanafika anareo ilay mpandrava an’i Môaba ka mandrodana ny mandanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany, ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna; fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba, ny mandanao efa voazerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ry Dibona, zanakavavy mponina, Midìna miala amin’ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, Fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra mamely anao Sady mandrava ny fiarovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:18
13 Rohy Ifampitohizana  

dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.


Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?


Ny mponin’i Dibôna dia miakatra eny amin’ny toeram-pivavahany mba hitomany. Any Nebao sy Medebà no idradradradran’i Môaba. Voaharatra avokoa ny loha rehetra ary voaala ny volombava rehetra.


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»


i Dibôna sy i Nebao sy i Bèty-Diblataima,


Ankehitriny izany voaloboka izany dia voavoly any an-taniefitra ao amin’ny tany maina sy karankaina.


Kanefa notifirinay zana-tsipîka ny Amôrita. Rava i Hesbôna hatrany Dibôna. Nofoananay avokoa hatrany Nôfà ary hatrany Medebà mihitsy aza.»


–I Hatarôta sy i Dibôna, i Jahezera sy i Nimrà, i Hesbôna sy i Elehale, i Sebama sy i Nebao ary i Behôna dia tanàna


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


ny tanin’izy telo tonta dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo; dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà ka hatrany Dibôna;


Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra