Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 48:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Koa ianareo rehetra mpifanila aminy sady mahalala ny lazany dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe: «Ahoana no nahapotika ity hery màzana sy ity fahefàna be voninahitra ity?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Mitomania azy ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, lazao hoe: Indrisy! Tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Koa ianareo rehetra mpifanila aminy sady mahalala ny lazany dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe: «Ahoana no nahapotika ity hery màzana sy ity fahefàna be voninahitra ity?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ianareo rehetra mifanakaiky aminy, samia mitsapa alahelo azy, ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany, samia milaza hoe: «Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany, ny tehim-panjakana kanto toy izany?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Mitomania azy, hianareo rehetra izay manodidina azy Sy hianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo Tsiôna anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefàm-pitondranao! Enga anie hiharan’ny fanapahanao eo anivon’ireo fahavalonao manodidina Anao!


Hoy ny TOMPO hoe: «Lozan’i Asiria, izay tsorakazo mampihatra ny fahatezerako! Eny, izy no mitazona eny an-tanany ny kibay mampihatra ny fahavinirako.


izay nikapoka ny vahoaka tamim-pahavinirana; nikapoka azy tsy an-kiato izy ka namolaka azy tamim-pahatezerana sady nanenjika azy tsy nisy indrafo.


Simba ny zaridaina ao Hesbôna sy ny voly voaloboka ao Sibmà, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian’ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty.


Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.


–Manaova hira fisaonana hoe: «Andray ity hakivian’i Môaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy.» Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an’ireo firenena rehetra manodidina azy i Môaba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra