Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ry mponina ao Harôhera, mijoroa eny an-dalambe ka miambena. Anontanio ireo nandositra sy izay sisa avotra hoe: «Inona no zavatra niseho?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ry mponina any Aroera mijanòna eny an-dalambe ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Inona no nitranga?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ry mponina ao Harôhera, mijoroa eny an-dalambe ka miambena. Anontanio ireo nandositra sy izay sisa avotra hoe: «Inona no zavatra niseho?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Arôera; anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka, ka ataovy hoe: «Inona no mihatra?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ry mponina any Aroera. Mijanòna eny an-dàlambe, ka mitazàna, Ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’inona hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:19
10 Rohy Ifampitohizana  

Niampita an’i Jôrdàna izy ireo ka nitoby tao amin’ny tanànan’i Harôhera, eo an-kavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasan’i Gada. Avy eo dia nankany Jazera ireo,


ny farany dia i Bela izay zanakalahin’i Hazaza sy zafin’i Semà ary zafiafin’i Jôela. Ny Reobenita dia nonina ny faritra hatreo Harôhera ka hatrany amin’ny tendrombohitra Nebao sy hatrany Bahala-Mehôna;


Ary ny taranak’i Gada nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Dibôna sy i Hatarôta, i Harôhera


Manomboka hatreo Harôhera izay amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy ilay tanàna hafa anatin’io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefàntsika ny tanàna rehetra.


Ny voalohany dia i Sihôna, mpanjaka amôrita izay nonina tao Hesbôna: izy no nanjaka tamin’ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnôna hatreo Harôhera no midina, sy tamin’ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny renirano Jabôka izay sisintanin’ny Hamônita;


Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?


Hoy ilay lehilahy taminy: –Avy tany am-bava ady aho ary nitsoaka an-daharana vao androany izao. I Helỳ kosa nanontany azy hoe: –Fa inona no nitranga tany, anaka? Dia hoy ny navalin’ilay mpitondra hafatra:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra