Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:22 - DIEM PROTESTANTA

22 «Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; raha ny hanao ratsy dia kinga izy; fa ny hanao soa kosa dia tsy fantany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 «Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy Sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; raha ny hanao ratsy dia kinga izy; fa ny hanao soa kosa dia tsy fantany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:22
42 Rohy Ifampitohizana  

Dia napetrak’ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan’ny vadiny tao an-trano.


Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Izay teny lazainy dia heloka sy fitaka; nofy azy mihitsy ny hoe hanao ny tsara.


Fa Izy rehetra no mania, ka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza!


Tsy mahalala na mahazo an-tsaina velively ianareo; ao anatin’ny haizim-paharatsiana no iraparapanareo, ka voahozongozona avokoa ny fanorenan’ny tany.


Ny olon-dratsy tsy mahafantatra ny rariny, fa izay mitady ny TOMPO mahalala ny zava-drehetra.


Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo!


Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe: «Mba aiza àry izao ny TOMPO?» Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitarika nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.


Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


Dia hoy aho anakampo hoe: «Momba ireo olona mahantra ihany izany; tsy misaina loatra izy ireny ka tsy mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO na izay fitsipik’ilay Andriamaniny.


«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.


Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.


Herisetra arahina herisetra, ary fitaka arahina fitaka! Tsy manaiky hahalala Ahy izy, hoy ny teny hentitra ambarako!»


Maimay erỳ ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon’ireo vehivavy janga tsivalahara. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.


Fa izao no teny hentitry ny TOMPO: «Tsy nahalala hanao asa marina ry zareo; zavatra vokatry ny herisetra sy ny fandrobana no angoniny ho ao an-dapany.»


Lozan’izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.


Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,


Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.


Ary izany no hataony, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho.


Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala.


Nataon’ny olona ho tsinontsinona ny mahalala an’Andriamanitra, ka izany no nanoloran’Andriamanitra azy hoentin’ny sainy mibirioka, mba ho voatarika hanao ny tsy tokony hatao:


Efa malaza amin’ny olona rehetra manko fa manaiky an’i Kristy ianareo; ary faly aminareo aho, ka ny irîko ho toetranareo dia izao: ho kinga raha ny amin’ny tsara ary tsy hiray petsapetsa amin’ny ratsy.


tsy misy manam-pahalalana; tsy misy mitady an’Andriamanitra.


Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olondehibe.


Firenena tsy misaina i Israely sady tsy manam-pahalalana.


Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra