Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva sy handrenesako ny feon’anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva, sy handrenesako ny feon’anjomara?...

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva Sy handrenesako ny feon’anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva sy handrenesako ny feon’anjomara?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:21
11 Rohy Ifampitohizana  

I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.


Teo koa izy no nesorin’i Nekao, mpanjakan’i Ejipta; ary nampandoavin’io Farao io sazy volafotsy sy volamena samy telo taonina ny fanjakan’i Joda.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.


«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.


fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!


Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekôa ny anjomara, manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra