Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 8:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Merîbahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Merîbahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Zanaka lahin’i Jonatàna: i Meribaala. I Meribaala niteraka an’i Mikà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny zanakalahin’i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 8:34
8 Rohy Ifampitohizana  

I Jônatàna zanakalahin’i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan’i Saoly sy i Jônatàna. Nentin’ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefibôseta no anarany.


Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro. Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà,


Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa.


Rehefa tonga teo amin’i Davida i Mefibôseta zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, dia niankohoka tamin’ny tany ho fanajana azy. Ary hoy i Davida taminy: –Mefibôseta! Ka novaliany hoe: –Inty aho, tompoko.


I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.


Ny zanakalahin’i Mikà dia ry i Pitôny sy i Meleka ary i Taharea sy i Ahaza.


Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Meribahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra