Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 8:33 - DIEM PROTESTANTA

33 I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 8:33
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,


Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.


I Miklôta no ray niteraka an’i Simeama: izy mianaka ireto dia niara-monina tamin’ny mpiray foko namany tany Jerosalema, ka nifanandrify fonenana taminy.


Ny zanakalahin’i Jônatàna dia i Merîbahala; i Meribahala no ray niteraka an’i Mikà.


Avy eo nangataka mpanjaka izy ireo ka dia nomeny azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy sady avy tamin’ny fokon’i Benjamîna.


Nilofo nanenjika an’i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina ka nahafaty an’i Jônatàna sy i Abinadaba ary i Melkisa, izay samy zanakalahin’i Saoly.


Tamin’izany fotoana izany, dia nisy lehilahy tsongoin’olom-bolo avy amin’ny fokon’i Benjamîna natao hoe Kisy. Izy dia zanakalahin’i Abièla sy zafikelin’i Tserôra ary zafiafin’i Bekôrata sy zafindohalik’i Afia.


Ary i Kisy nanan-janakalahy atao hoe Saoly izay tovolahy sady taviny no volony; tsy nisy teo amin’i Israely nihoatra azy tamin’ny hatsaran-tarehy, ary nanatombo halavana amin’ny olon-drehetra koa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra