Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tahaka ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’i Ay sy ny mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany. Asio vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Tahaka izay nataonao tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin’i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tahaka izay nataonao tamin’i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin’i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Koa tahaka ny nanaovanao an’i Jerikô sy ny mpanjakany no hanaovanao an’i Haia sy ny mpanjakany koa; saingy ny babo avy aminy sy ny biby ompiny kosa no alao ho anareo. Asio otrika ao ivohon’ny tanàna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:2
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa nasain’i Jeroboama nanompirana no fandehan’ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.


Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.


Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona; Zava-poana tokoa no itabatabany; Mihary harena izy, nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.


Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny; Fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny marina.


Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.


Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, Dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Handao azy amin’ny an-tenatenan’androny izany, Ka ho adala no farany.


Manangàna faneva eo akaikin’ny màndan’i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka Izay nolazainy ny amin’ny mponina any Babylona.


Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.


Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ny fahavalonao, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.


Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy hianao; fa efa natolotro eo an-tànanao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary hianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.


ARY rehefa ren’i Adoni-zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa afak’i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,


Ary Makeda dia afak’i Josoa tamin’izany andro izany, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko, no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa.


Ary ny fananana rehetra tao amin’ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ny Zanak’Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.


Ary naringany tamin’ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanàna, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman-osy, na boriky.


Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’i Betela sy Ay, andrefan’ny tanàna.


Ary rehefa hitan’ny mpanjakan’i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ny Isiraely, teo amin’ny tany nifamotoanany tandrifin’ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.


Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ny afo.


Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra.


Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ny alina.


Ary dia hiroatra avy ao amin’ny fanotrehana kosa hianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa hatolotr’i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tànanareo izy.


Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin’ny afo; araka ny didin’i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.


Dia nampandehanin’i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’i Ay, teo anelanelan’i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’izany alina izany.


Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’i Josoa an’i Jeriko sy Ay,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra