Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:1 - Baiboly Protestanta Malagasy

1 DIA hoy Jehovah tamin’i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po hianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tànanao ny mpanjakan’i Ay mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika ka miaingà, iakaro i Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Ay mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miaingà hamely an’i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan’i Hay sy ny vahoaka ary ny tanànany sy ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miaingà hamely an’i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan’i Hay sy ny vahoaka ary ny tanànany sy ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra na manam-badi-po, fa ento miaraka aminao ny mpiantafika rehetra, dia mitsangàna ka miakara hamely an’i Haia. Jereo efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’i Haia, mbamin’ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:1
24 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Davida. JEHOVAH no fahazavako sy famonjena ahy; Iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; Iza no hangovitako?


Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, Ary tsy ny sandriny no namonjy azy; Fa ny tànanao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao, satria efa sitrakao izy.


Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no aro ho antsika. [Sela.]


Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; Dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako Fa efa famonjena ahy Izy.


Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;


Fa aza matahotra hianao, ry Jakoba mpanompoko, Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin’ny lavitra hianao, Ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, Eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.


Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, hianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana hianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, Dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.


Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ny hendry sy fahalalana ho an’izay mazava saina.


Izany rehetra izany no nanjo an’i Nebokadnezara mpanjaka.


Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.


indro, efa natolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po hianao.


Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po hianao.


Dia aza matahotra azy hianao; fa tsarovy tsara izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Farao sy ny Egyptiana rehetra,


Aza matahotra azy hianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.


Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.


Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tànanao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.


ka hoy izy tamin’i Josoa: Efa natolotr’i Jehovah eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra antsika.


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tànanao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ny lehilahy mahery.


Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra