Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 13:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 hatrany Sihora, izay atsinanan’i Egypta, ka hatramin’ny fari-tanin’i Ekrona eo avaratra, izay atao ho an’ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ny Filistina–dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 hatrany Sihora izay atsinanan’i Ejipta, ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ekrona eo avaratra izay isaina ho an’ny Kananita, an’ireo mpanjaka dimy amin’ny Filistina, sy ny Gazita, ny Asdodita, ny Askelonita, ny Gatita, ny Ekronita ary ny Avita

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 izany hoe ny faritra noheverina ho kanahanita manomboka hatreo amin’ny lohasahan-driaka Sihôra izay sisin-tany atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Hekrôna any avaratra; ao no misy ireo fanjakana dimy tamin’ny Filistinina, dia i Gazà, i Asdôda, i Askelôna, i Gata ary i Hekrôna; ao koa no misy ny Havita

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 izany hoe ny faritra noheverina ho kanahanita manomboka hatreo amin’ny lohasahan-driaka Sihôra izay sisin-tany atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Hekrôna any avaratra; ao no misy ireo fanjakana dimy tamin’ny Filistinina, dia i Gazà, i Asdôda, i Askelôna, i Gata ary i Hekrôna; ao koa no misy ny Havita

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 hatramin’i Sikôra, izay eo atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Akarôna eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeanina; ny andrian’ny Filistinina dimy, ny an’i Gazà, ny an’i Azota, ny an’i Askalôna, ny an’i Geta, ny an’i Akarôna;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 hatrany Sihora izay atsinanan’i Ejipta, ka hatrany amin’ny sisintanin’i Ekrona eo avaratra izay isaina ho an’ny Kananita, an’ireo mpanjaka dimy amin’ny Filistina, sy ny Gazita, ny Asdodita, ny Askelonita, ny Gatita, ny Ekronita ary ny Avita

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 13:3
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny zanakalahin’i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.


Tamin’izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,


Ary tamin’izany andro izany Solomona sy ny Israely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’i Hamata ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ny folo andro.


Dia novorin’i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.


Teny amin’ny rano be ny varin’i Sihora, Dia ny vokatr’i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ny firenena izy.


Koa inona no anton’ny ankanesanao amin’ny làlana mankany Egypta Hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no anton’ny ankanesanao amin’ny làlana mankany Asyria Hisotro ny rano amin’ny Ony?


ary ny amin’ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).


Kanefa tsy mba noroahin’ny Zanak’Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin’ny Zanak’Isiraely mandraka andro-any ny Gesorita sy ny Makatita.


Ary ireo andrianan’ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.


dia ireo andriana dimy tamin’ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’i Bala-hermona ka hatramin’ny làlana mankany Hamata.


DIA nalain’ny Filistina ny fiaran’Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.


Ary dia naterin’ny olona nankany Ekrona ny fiaran’Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.


Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ny Andriamanitry ny Isiraely?Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ny Andriamanitry ny Isiraely.


Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ireo andrianan’ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra