32 Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity
32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tànanao mahery ary ny sandrinao ahinjitra,–koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
32 Henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ny Israely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra noho ny amin’ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao mitsotra, koa raha avy izy ireo ka mivavaka manatrika ity trano ity
Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: «Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy, dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!»
Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe: notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe: «Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.»
Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo, avy amin’ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an’i Iaveh; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin’ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy i Iaveh, toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Dia hoy izy ireo: «Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noho ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta,
Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;