Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:33 - Baiboly Katolika

33 dia mihainoa azy Ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao; tanteraho izay rehetra angatahin’izany vahiny izany aminao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny Anaranao, hatahorany Anao tahaka an’i Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin’ity trano nataoko ity ny Anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Ianao ka miasà araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Israely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina amin’ity trano naoriko ity.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity tempoly naoriko ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, Tompo ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny aminao. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany ny Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity tempoly naoriko ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity trano nataoko ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:33
16 Rohy Ifampitohizana  

Hatramin’ny andro nitondrako an’i Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta dia tsy nifidy tanàna teo amin’ny fokon’i Israely rehetra aho, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, fa efa nifidy an’i Davida hanjaka amin’i Israely vahoakako aho.


Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»


«Nony hivoaka hiady amin’ny fahavalo ny vahoakanao manaraka ny lalana andefasanao azy, raha mivavaka mitodika ity tanàna nofidinao ity sy ity trano nataoko ho an’ny Anaranao ity,


raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.


Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!


Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.


Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra! hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy! - Selà


Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.


Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»


Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.


Dia izany no hametrahany ny Anarako amin’ny zanak’i Israely, ary Izaho hitahy azy.»


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Anio dia hatolotr’i Iaveh eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voromanidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra